Toy ny efa tafiditra ao amin’ny fahazarana ny fahenoana, na miaramila izany, na zandary, na pôlisy voarohirohy noho ny fandraisana anjara amina raharaha maloto. Ambonin’ny heloka nefainy noho ny maha miaramila, zandary sy pôlisy azy, dia miampy fanotana fady karazana famosavina olona natao ho tahian’ny tena ny fanararaotana andraikitra, izay nampiasaina ho fanakonana ny ratsy atao.
Taitra ihany anefa raha naheno fa minisitry ny fitsarana, izay ankoatr’izany dia mpitsara ambony, no mety ho voasaringotra ao anatin’ilay fitsikombakombana tamin’ny fikasana hanodinkodina ny fizotra sy vokatry ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Fianarana ho mpitsara. Tsy voalohany izao no nandrenesana fanao toy izany, fa izay vao nisy fanatrarana. Tompon’andraikitra ambony no ipetrahan’ny ahiahy mikasika ny fandraisana anjara ao anatin’ilay tambajotra. Tsy isalasalana fa ao ambadika ao ny resa-bola sy kolikoly.
Rariny raha tsy ampy fitokisana amin’ny fitsarana ny olona, ary raha mirona any amin’ny finoana ny laza maloto zakain’ny mpitsara ny vahoaka. Iza moa no mitondra vola ho fandisoana ny vokatry ny fifaninana, fa tsy ny mpifaninana? Izay no mitarika ny fiheverana fa raha fomba vetaveta no nampiasaina teo amin’ny fidirana, ka mbola anisan’ ireo niombona tamin’ilay fomba ratsy ihany koa ny sasantsasany amin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ilay fianarana, dia ho vonton’ny fahamarinana sy fahadiovana ve ny toe-tsain’ireo mpianatra niofana tao?
Mitombona ny fisin’ny ahiahy : moa ve rehefa mandray toerana ireo nanefa be tany am-pidirana dia hanan-tsaina afa-tsy ny fanorana, izay hany fomba famerenana ny lany ? Ahoana moa ny anatra mampitandrina mba tsy ho zarina mitsotra ny tànana, sy ny resaka mikasika ny fahazaran-dratsy toy ny fankafizana vola tsy nisasarana ? Iza moa no anankinana ny fampiharana lalàna tsy an-kijery tavan’ olona?
Mba hanjakan’ny rariny, dia tsy ny lalàna no tokony hotsarain’ireo mpiambina ny fampiharana lalàna, fa ny fanajan’ny olon-drehetra ny lalàna velona no tandrovan’izy ireo. Raha boboka ny rantsana sasantsasany amin’ny sampana natokana ho tompon’antoka amin’ny fampiharana lalàna, azo heverina fa hanahirana toy izany koa ny famerenana ny tany sy fanjakana ho fehezin’ny lalàna. Izay anefa ny làlana ombana ankehitriny, hany làlana ahatongavana amin’izany hoe tany tan-dalàna izany, tany tan-dalàna hany fomba ahafahan’ny fanjakan’ny rariny hijoro.
Léo Raz