RANARISON Tsilavo NEXTHOPE : Auteur des 76 Factures et Ordres de Virement de 1 047 060 €, Base de sa Plainte pour Abus de Biens Sociaux contre son Patron Solo, avec Reconnaissance de la Contrepartie Matérielle dans un Email du 25 Avril 2012

Ministra ny fitsarana teo aloha – Hogadraina noho ny raharaha kolikoly – Gasy Tia tanindrazana du 22 mars 2019

Corruption dans les concours à MadagascarMinistra ny fitsarana teo aloha - Hogadraina noho ny raharaha kolikoly - Gasy Tia tanindrazana du 22 mars 2019

Niakatra teny anivon’ny PAC (Pole Anti-Corruption) ny 15 martsa teo ny raharaha. Tsiahivina fa ny 6-7 febroary 2018 no nanatanterahana ny fifaninana, izay nofoanana noho ny fiahiahiana resaka kolikoly. Niteraka resabe sy ahiahy ny fandorana ireo antontan-taratasim-panadinana. Nohidiana teo imason’ny vadin-tany ny trano nisy izany mba hitandroana ny hasin’ny fanadinana, saingy novohaina nakana ireo taratasy nodorana. Nilaza ny Bianco teo anatrehan’ny zava-nisy fa zava-dehibe tsy azo ihodivirana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanaraha-maso ny fifaninanam-panjakana. Antoka lehibe hahafahana mampitovy ny zanaka Malagasy amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny ihany koa, ka ny fahaizana no tena hikaonty. Nilaza anefa ity sampan-draharaha ity, fa tsy nahalala ny resaka famakiana ny toerana nanidiana ireo taratasim-panadinana niraketana ireo dosie, ny firaketana an-tsoratra, ary ireo dosie isan-karazany taorian’ny fandorana ireo antontan-taratasy. Ireo dosie samihafa dia sokajiana ho tokony ilaina amin’ny fanadihadiana momba ny fiahiahiana kolikoly tamin’ity fanadinam-panjakana ity, saingy nodorana. Nanamafy ny Bianco fa vao mainka nanamafy ny fahaverezan’ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny ny toe-javatra niseho tamin’iny raharaha ENMG iny. Nalaza tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny raharaha Houcine Arfa, izay nisian’ny filazan’ity farany fa nanome vola 70 000 euros ho an’ny minisitra ho tambin’ny fanafahana azy. Na izany na tsy izany dia nisy ireo nijoro sy niaro, fa tena hentitra sy tsy azo hinoana hanao kolikoly ity minisitra ity, ka ho hita eo izay ho tohiny. Marihina anefa fa ny Fitsarana Ambony na ny HCJ no tena afaka manao ny fanenjehana, miainga amin’ny fankatoavan’ny depiote maro an’isa eny amin’ny antenimiera.

 

Toky R

Check out our other content

Check out other tags:

Most Popular Articles