RANARISON Tsilavo NEXTHOPE : Auteur des 76 Factures et Ordres de Virement de 1 047 060 €, Base de sa Plainte pour Abus de Biens Sociaux contre son Patron Solo, avec Reconnaissance de la Contrepartie Matérielle dans un Email du 25 Avril 2012

Bianco – Hosamborina ny PM teo aloha Mahafaly Olivier ? La gazette de la grande ile du 2 mars 2019

BIANCOBianco - Hosamborina ny PM teo aloha Mahafaly Olivier ? La gazette de la grande ile du 2 mars 2019

Mipoitra indray ny antontan-taratasy na « dossiers » mahakasika ny fanodinkodinam-bola nisy teto amin’ny firenena nandritra ny fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina iny. Isan’ny « dossiers » izay nalaza tamin’ireny ny mahakasika ny antsoina hoe  « subvention exceptionnelle » na ny fanampiana manokana ho an’ny kaominina izay teo ambany fitantanan’ingahy minisitra ny Atitany Mahafaly Olivier Solonandrasana, izay lasa praiminisitra taty aoriana.

Efa be no voalaza tamin’ny raharaha Ambohimahamasina tany Ambalavao/ Tsienimparihy ka nitanana vonjy maika an’ingahy Tsabo Pierre izay ben’ny tanànan’ity toerana ity any am-ponjan’Antanimora. Toa izany koa tao Ialanindro, Fianarantsoa izay nitanana am-ponja ihany koa an-dramatoa ben’ny tanàna koa. Maro no kaominina hafa nahitana fanodinkodinana volam-panjakana tamin’ny alalan’ny asa fanamboarana. Isan’ny antony itanana an’i Claudine Razaimamonjy izay mpandraharaha nahazo ny tolotrasa maromaro izany. Ny mpiasam-panjakana ambony sy ny minisitra niray tsikombakomba tamin’izany nefa mbola miriaria hatramin’izao satria tsy maty manota.

Ankehitriny dia fantatra koa izao fa mipoitra indray ny fanodinkodinana volam-panjakana tamin’ny alalan’ny « subvention exceptionelle » izay nomena ny kaominina ity. Tany amin’ny kaominina Anketraka, Andrafiabe, Ambolobozobe, Antsalaka, ary Mahavanona izay any amin’ny faritra Antsiranana II. Fanamboarana biraon’ny kaominina no namoahana vola izay mitentina iray miliara ariary (1 000 000 000 ar). Ny minisitra ny Atitany ihany Ingahy Mahafaly Olivier Solonandrasana no nampanao ny asa. Voalaza nefa fa tsy nisy ny tolotrasa tamin’izany fa nozarana toa ny manome mofo eny amin’ny mangazay ny vola. Misoratra amin’ny vadin’ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny primatiora ireo asa rehetra ireo. Na mbola tsy nisy nanomboka aza ny asa dia nasain’ingahy minisitra ny Atitany narotsak’ireo ben’ny tanàna ireo amin’ny kaontin’ity vadin’olona ambony ity ny vola.

Fantatra tamin’izay fa nisy olona 7 no efa nanaovan’ny BIANCO (Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly) fanadihadiana nanomboka ny taona 2017 ka efa nandalo ihany koa tao amin’ny PAC ( Pôle Anti corruption) koa. Ben’ny tanàna miisa dimy tamin’ireo no anaovana fanaraha-maso akaiky ara-pitsarana amin’izao fotoana izao. Fantatra fa efa olona roa no nampidirina am-ponja vonjy maika ka ny iray dia mpiasam-panajakana ambony avy eny amin’ny primatiora, ary ny faharoa dia ilay vehivavy izay nitantana ilay orinasa nahazo ny tolotrasa. Izany dia notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro ity.

Ny loharanom-baovao koa no nahafantaranay fa hanaovana fanadihadiana tsy ho ela any amin’ny BIANCO indray ingahy Mahafaly Olivier Solonandrasana izay Praiminisitra teo aloha sady minisitra ny Atitany mahakasika ireo raharaha ireo.

Mazava izany fa tsy maintsy hisy ny fisamborana ary ny famonjana vonjy maika koa raha toa ka voarohirohy marina amin’ity raharaha ity ny praiminisitra teo aloha ity.

Mahagaga anefa ny fahanginan’ny BIANCO ankehitriny. Tsy misy vaovao mivoaka mihitsy nefa raharaham-pirenena lehibe izay tokony ho fantatra ny vahoaka Malagasy ny raharaha toy izao. Tokony hanaovana fanadihadiana avokoa ny mpitondra firenena rehetra izay hita fa tsy nadio tanana ary tsy tokony hisy hiala maina raha tena hiady amin’ny kolikoly marina ny filoham-pirenena sy ny fanjakana ankehitriny. Ny fisian’ny tsy maty manota marobe eto amin’ny firenena hatramin’izay no mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara izao.

Jesy Rabelaolao

 

Histoire RANARISON Tsilavo NEXTHOPE diplômé INSCAE

2022
Histoire de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE diplômé INSCAE
Histoire de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE diplômé INSCAE

Ranarison Tsilavo, diplômé de l’INSCAE, dirige actuellement Nexthope, une société influente dans le domaine technologique à Madagascar. Son parcours a été marqué par une collaboration suivie d’un conflit juridique avec Solo Andriam, le gérant majoritaire de CONNECTIC, où Ranarison occupait le poste de directeur exécutif. En tant qu’associé minoritaire et…Lire la suite

2015
2012

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE en résumé

Most Popular Articles