Misy raharaha tsy ara-drariny mitranga eo anivon’ny fianakaviamben’ny pôlisim-pirenena ao. Efa notaterina teto, ohatra, ny momba ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho kaomisera sy ny momba izany. Momba an’io indrindra, ohatra, dia re fa nivory ny lohandohan’ny mpisorona tao anivon’ny pôlisy ka nilaza hoe “raharaha efa nandeha fitsarana io ary efa namoahan’ny fitsarana didy ka tsy misy atahorana fa iniana tsy valiana”. Eny, tompoko. Tsy manda an’izany izahay ary raha tsaroantsika mpamaky aza dia nosoritana tao anatin’ny lahatsoratra tamin’izany io didim-pitsarana io.
Amin’ny raharaham-pitsarana koa anefa dia misy ny antsoina hoe “tranga vaovao” (faits nouveaux) izay ahafahana miverina manao ny fandinihan’ny fitsarana ny raharaha, izay mety hampiova mihitsy ny didy.
Ankoatra an’izay, re izao fa nitombo iray tampoka ny isan’ireo mpianatra ho polisy eny Ivato amin’ireo andiany farany. Ny antony dia satria nisy mpianatra ho pôlisy iray tamin’ny andiany teo aloha, no lasa adala, ka najanona tamin’ny fianarany. Taty aoriana dia nambara fa sitrana izy io dia naverina nianatra, saingy hatramin’izao dia mihetsika matetika ny hadalany, ka mba rariny ve ny mbola hamelana azy io hanohy hatrany ny fianarany ao?
Raha ampifandraisina amin’ilay resaka didim-pitsarana izao io dia hoe “nahoana io lasa adala io no mbola naverina nianatra na mbola adala aza fa ny mendrika ho isan’ny mpianatra, nosakanana hatramin’ny farany?”
Misy koa mpianatra ho pôlisy izay tsy manana ny hery enti-miatrika izany asan’ny pôlisy izany ao. Raha mandeha manao dia an-tongotra lavitr’ezaka (la marche) ireo mpianatra ho pôlisy dia misy fiara manaraka hatrany ka ilay mpianatra iray izay, tsy lasa lavitra akory dia miakatra anaty fiara hatrany satria tsy manana herim-batana hiatrehana ny raharaha. Mba rariny koa ve izany? Ny re dia toa samy nanana ny olona nampidiriny (quota) ny tompon’andraikitra isan-tsehatra teo aloha, ka mety ho tafiditra ao anatin’ny anjara-pôlisin’ny sasany ireny hafahafa ireny ka tsy azo esorina na misy inona na misy inona.
Misy koa ao, olona mararin’ny voa ka tsy maintsy manadio ra (manao dialyse) in-telo isan-kerinandro. Fantatra fa tsy roa herinandro na iray volana no manao an’izany fa mandrakizay raha tsy voasolo ny voany, nefa dia mbola tsy andraisana fepetra hatrany fa avela hanohy ao. Ny hafa mahavita sady tomady, navela any, nefa raharaham-pirenena no hataon’izy ireny fa tsy hoe kilalao.
Etsy ankilany, misy mpianatra pôlisy marary koa. Efa nody nandritra ny tapa-bolana izay. Nihevitra ny hiala izy satria tsapany fa tsy ho vitany, nefa dia valin-teny hafahafa no setriny hoe “adalanareo angaha izahay nampiditra anareo ho mpianatra pôlisy?”
Hatramin’ny fisian’ireo mpianatra nohafahana ho mpianatra pôlisy no fantatra sy hita fototra fa nampiasa mari-pahaizana hosoka, nefa dia avela ho isan’ny mpianatra ara-dalàna sy ara-drariny ihany.
Isan’ny tranga tokony hidinan’ny Bianco ifotony koa izany, ka hanadihadiana ny momba ilay fifaninanana fandraisana ho mpianatra pôlisy mihitsy. Toy ny tao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara e! Sa mbola matahotra an-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina satria nanana olona tsy maintsy nohafahana tao izy tamin’ireny?
Tsimba