Mampihatra ny tany tandalàna ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy hijerena tavan’olona izany fa izay manao ny tsy mety, mahazo ny sazy sahaza ho azy. Misy anefa ireo andian’olona na vondron’olona zatry ny lalan-dririnina ka tsy mahazaka ny fampiharana ny lalàna. Kasain’ireo andian’olona vitsivitsy ireo hijanona ao anatin’ny gaboraraka foana ny Firenena. Hentira ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo, omaly, fa « mahazo manohitra izay te hanohitra fa ny ministeran’ny Fitsarana tsy milefitra amin’izany (fampiharana ny lalàna) ». Notsindriany fa ny fampiharana ny lalàna dia « tsy hanavahana na iza na iza ary tsy ny fanaovana fitokonana akory no hampihemotra nyFanjakana amin’izany fampiharana ny lalàna izany ». Tsiahivina fa tamin’ny herinandro lasa teo, Mpitsara miisa efatra ao toamasina no namoahana didy fampiatoana amin’ny asany. Voalaza fan oho izy namoaka ilay lehiben’ireo mpaka an-keriny eto Madagsikara no antony. « Betsaka moa ny resaka mandeha momba ireo mpitsara miisa efatra ireo. Vao nandray ny asako aho dia nilaza fa io Haja io izay lehiben’nny mpaka an-keriny dia tsy mahazo avoaka fa io no tena atidohan’ny mpanao kidnapping. Hatramin’ny nidirana am-ponja, ohatry ny tsy nisy intsony ny kidnapping. Ny zoma sy sabotsy teo aho tany Toamasina, ny alatsinainy ny Praiminisitra dia samy namatrapatratra izany izahay kanefa ny talata dia navoaka ilay olona. Rehefa nandalina izahay dia ohatrany misy ambadika kolikoly ilay raharahra”, hoy ny minisitry ny Fitsarana nanazava. « Ara-drariny raha nahatonga tamin’ny asany ireo mpitsara ireo sady manana fahefana hanao izany ny Minisitra araka ny andininy faha 60 amin’ny Fitsipika mifehy ny mpitsara. Efa misy rahateo ny fanadihadihana misokatra momba izany ka ho hita eo ny tohiny », hoy izy nanohy. Momba ny fitokonan’ny Sampandraharahan’ny Fananana-tany, dia milaza ny minisitry ny Fitsarana fa zon’izy ireo ny migrevy saingy ny Fanjakana tsy hilefitra amin’ny fampiharana ny lalàna. « Ahoana moa azo anekena fa ny ville Elisabeth, ny zaridainan’Antaninarenina, ny Cercle Franco-Malagasy dia aminy kanefa fananam-pirenena daholo ireny? Izaho dia sarotiny amin’ny fitandrovana ny atao hoe fananantsika Malagasy. Misy lalàna eto, ka raha hanao gravy izy zony izany ka aleo izy hanao hifampitady eto fa ny lalàna tsy maintsy mihatra”, araka ny fanazavana.
Harilaza R.