RANARISON Tsilavo NEXTHOPE : Auteur des 76 Factures et Ordres de Virement de 1 047 060 €, Base de sa Plainte pour Abus de Biens Sociaux contre son Patron Solo, avec Reconnaissance de la Contrepartie Matérielle dans un Email du 25 Avril 2012

Raha vitan’ingahy Andry Nirina Rajoelina marina ny tena mampanao fanadihadiana sy misambotra ary mitsara ireo nivarotra tanindrazana dia ho Paul Kagame izy- La gazette de la grande île du 18 février 2019

Lutte contre la corruption à MadagascarRaha vitan’ingahy Andry Nirina Rajoelina marina ny tena mampanao fanadihadiana sy misambotra ary mitsara ireo nivarotra tanindrazana dia ho Paul Kagame izy- La gazette de la grande île du...

Nandalo famonoana olona faobe na ireny antsoina hoe “génocide” ireny ny firenena Rwandais tatsy Afrika afovoany ny taona 90. Aman’hetsiny ny isan’ny olona maty noho ny ady nifanandrinan’ny foko Hutu sy ny Tutsi. Nifamono ho faty ny foko roa ireo noho ny fianjeran’ny fiaramanidina nitondra ny filoham-pirenena tao Rwanda antsoina hoe Juvenal Habyariwana.

Nandalo fotoan-tsarotra i Rwanda tao anatin’ny taona maro. Nanomboka ny taona 1959 nahazoany ny repoblika dia isan’ny firenena nahantra indrindra taty Afrika sy maneran-tany i Rwanda. Nanjaka tanteraka tamin’ity firenena ity ny adim-poko, ny kolikoly, ny fanodinkodinana ny volam-panjakana nataon’ireo mpitondra ambony tao. Tsy hay tenenina intsony ny fivarotana an-tsokosoko ny harena tao Rwanda nataon’ireo nahazo fahefana ka isan’ny nahazo tombony tamin’izany ny fanjakana amerikanina sy ny frantsay izay samy niady mafy ny hifehy ity firenena ity ankolaka.

Nahatratra 10 000 isan’andro ny avy amin’ny foko Tutsi maty tao Rwanda nandritra ny 100 andro nisian’ny ady an-trano. Eo amin’ny 1 000 000 teo no namoy ny ainy noho izany ady izany tamin’io foko io. Ity firenena ity no azo lazaina fa firenena nisian’ny famonoan’olona be indrindra tato amin’ity taonjato 2000 ity.

Efa nolazainay teto matetika ihany fa efa ady an-trano no misy eto Madagasikara nanomboka ny taona 2001 izay nitondran’ingahy Ravalomanana Marc ka hatramin’izao taona 2019 izao. Fifamonoan’ny samy Malagasy, mifanafika ny samy tanàna any ambanivohitra maro any. Manafika tobi-miaramila sy zandary ny dahalo. Doro-trano sy fanafihana mitam-piadiana mahery vaika no iainan’ny Malagasy manerana ny nosy. Tsy hay tenenina intsony ny asan-dahalo sy ny halatr’omby. Naondrana antsokosoko ny andramena sy ny vatosoa ary ireo harena marobe misy eto Madagasikara, izay nataon’ny olona nitondra fanjakana sy ny manodidina azy. Ireo ilay antsoina hoe tsimatimanota ankehitriny. Efa mampiteny ny moana ny fakana an-keriny Tsy ny karana sy ny Malagasy ambony vohitra mpanam-bola ihany ankehitriny no azon’ny asa fampihorohoroana ity fa hatramin’ny mponina any ambanivohitra toa ny any Ambatofinandrahana sy Ikalamavony ao Fianarantsoa. Malaimbandy sy Mahabo any Morondava, ary ny ao Tsaratanàna ao amin’ny faritra Betsiboka izay mahazo ny ilany andrefana amin’ny faritra Ambatondrazaka iny amin’izao fotoana izao.

Naverina any amin’ny fonjan’Antanimora i Claudine Razaimamonjy izay voarohirohy amin’ny resaka fanodinkodinana volam-panjakana ny herinandro voalohan’ity volana febroary 2019 ity. Nosamborina ny mpanjakan’ny “bois des roses” na andramena antsoina hoe Eddy ary fantatra amin’ny anarana feno hoe Jean Eddy Maminirina. Nosamborina koa i Mbola Rajaonah izay mpandraharaha sy tompon’orinasa fanaovan-gazety sy serasera maro eto Antananarivo ny alarobia faha 13 febroary 2019. Avy hatrany dia nalefa nigadra vonjy maika any amin’ny fonjan’i Tsiafahy izy roalahy ireo.

Tsy mbola ampy iray volana nefa no nanjakan’ingahy Andry Nirina Rajoelina filohan’ny repoblika vaovao.

Mandeha dia mandeha ny ady hevitra sy ny resaka maro isan-karazany ankehitriny amin’ny fomba fisamborana azy ireo sy ny fihetsika ny fanjakana. Misy ny olona faly satria maro no manantena fiovana hono. Be dia be koa ny tsy faly satria mahita fa mandeha ila ny fisamborana ireo. Toa mifono tsy fitiavana sy tsy halako bika sy tsy tiako tarehy. Tonga hatrany amin’ny resaka hoe “fomba atao mba tsy hahazoana manohana olona amin’ny fifidianana depoite ity raharaha ity ka hampanjakana  tokana ny mpomba an-Rajoelina sy ny Mapar irery amin’ny fifidianana”.

Raha toa ka tena tiana hitovy amin’i Rwanda ny fiovana eto ka ho môdely i Madagasikara, dia tsy maintsy manadio ingahy Andry Nirina Rajoelina izay nilokaloka fa hampandroso an’i Madagasikara. Tsy ireo olona ireo irery no tokony ho samborina sy hohadihadiana fa maro no olona nampitondra faisana sy nangalatra teto amin’ity firenena ity. Hatrany amin’ny Ravalomanana Marc (2001-2009) izany. Tamin’ny andron’ny fanjakana Tetezamita izay nahalasa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena toa ny “bois des roses” sy ny vatosoa sy ny volamena ary harena voajanahary faha tsy misy raha tsy eto Madagasikara. Nitohy hatramin’ny andron’ingahy Hery Rajoanarimampianina izany.

Raha vitan’ingahy Andry Nirina Rajoelina marina ny tena mampanao fanadihadiana sy misambotra ary mitsara izany dia hitovy amin’i Paul Kagame izy. Hahasahy hisambotra ireo karana sy vahiny manjakazaka ankehitriny ve izy? Hahavita hisambotra ireo olona akaiky azy izay hita fa voateniteny amin’ny zavatra maloto marobe eto amin’ny firenena koa ve? Hahasahy hampigadra sy handroaka ireo sinoa mpanararaotra amin’ny harem-pirenena sy ireo havany manao trafika maloto ireo ve izy? Hatramin’ny fivavahana tsy mazava dia sahin’ingahy Paul Kagame avokoa no nanafoana azy tany Rwanda.

Moa hitovy amin’i Paul Kagame filohan’ny repoblika atsy Rwanda ve i Andry Rajoelina ka hampiova ny firenena Malagasy araka ny Velirano sy ny IEM (Initiative pour l’émergence Madagascar) araka ny faniriany io?

Jesy Rabelaolao

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE en résumé

Most Popular Articles