mardi, novembre 12, 2024
9.5 C
Londres

JT Kolo TV sur la corruption à Madagascar du 17 février 2019

Ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly izay laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny no hitondrana adihevitra tao anatin’ny fandaharana ankitsimpo ny zoma teo. Nivahiny tamin’izany ny Tale jeneralin’ny Bianco Andriamifidy Jean-Louis sy ny mpitsara eo anivon’ny fitsarana manokana misahana ny andramena Imbiky Herilaza. Sombiny tamin’izay ady hevitra izay ary.

Betsaka anie ny olona faly afa-po amin’izay kolikoly izany e, raha tsy mandoa hetra la douane izy, na tsy mandoa hetra any amin’ny impôts, na hoe mahazo tany fotsiny izy amin’izao satria nandoa kolikoly an, ireny olona ireny dia faly amin’izany. Dikan’izay izany an, misy olona tena hoe mametraka mihitsy hoe ataovy ilay fitohizana amin’ny resaka kolikoly, fa matetika izany ilay vahoaka tsy mandady harona izay tsy manana vola ohatra hoe omena hidiranana amin’ny sekolim-panjakana ambony an no tena hoe voa mafy amin’ireny na ny tany ohatra lasan’ny mpanankarena. Izay izany aloha voalohany an, resaka kolontsaina io zavatra io, ary any no tokony hiadivana. Ny faharoa izany dia ilay hoe fikambanana ny resaka politika, ny fahefana sy ny fitondrana ary ny kolikoly. Ny kolikoly avo lenta anie dia matetika hita fa famatsiam-bola ny fitondram-panjakana na ny antokon’ny fanjakana e, mba ahafahaha izany mitazona mafy dia mafy ny fitondrana, izay izany aloha ny ny zavatra hita. Ahoana moa ny fomba ahazahoan’izany olona ireny hoe resaka marché public amin’ny fomba hafahafa raha tsy misy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny fanjakana no manao an’izany. Ary iza moa no hanendry tompon’andraikitra ambony amin’ny fanjakana. Betsaka anie ilay mécanisme apetraka ohatra hoe ny resaka marché public apetraka ny PRMP, apetraka ny commission rehetra izay tokony hoe hanadiovana an’izay zavatra izay; kanefa mbola hitantsika fa mipetraka ihany ilay resaka kolikoly, ka ny fahitako azy izany araka ny notenen’ny Andriamatoa Tale Jeneraly teo an: finiavana io, finiavan’ny tompon’andraikitra satria izahay aloha mahita fa na ao amin’ny fitsarana an misy olona betsaka tena hoe tsy manao izany kolikoly ary tena mampalaelo hoe mikorosifahana ny fiainany,  satria tsy manao an’izay resaka kolikoly. Ny sasany anefa tena hitanao mibaribary hoe manao an’ilay izy an, kanefa mbola misy miaro dia misitraka miaraka aminy, dia izay izany ny tiko tenenina hoe mila tenenina mandon-datambatra mafy ny fitondrana amin’izao raha tena hiady amin’ny resaka kolikoly izany amin’ilay fanomezana ohatra mafy dia mafy izany amin’ilay fanenjehana azy. Mila koa izany izy tena hoe, manana an’ilay hoe soutient any amin’ny Bianco satria raha tsy misy soutient politika koa ny Bianco dia mety hoe ho resy ihany izy ny farany amin’izay zavatra rehetra ataony izany.

Araka ilay voalaza teo, misy ilay finiavana politika, avy amin’ny fitondrana dia azo antoka ny hatratrarantsika an’io tanjona io satria efa voafariparitra ao anatin’io paik’ady io fa ireo kolikoly izay any amin’ny sehatra asam-panjakana ireo dia hisy rafitra anatiny hiatrika an’ireny isaky ny service publique rehetra. Ary raha miasa tsara koa izany ny pôle anti-corruption hiadiana amin’ny tsimatimanota ary io izany tena zava-dehibe, aoka tsy hisy mihitsy fandeferana amin’ny olona izay nanabotry ny firenena. Fa matetika moa isika dia hialokalofana foana ity resaka politika ity, rehefa nangalatra ilay olona dia tsy azo atao n’inon’inona satria hanao politika. Izany zavatra izany angambany tokony tsy azo eritreretina intsony raha tiantsika ny hahomby amin’ny ady amin’ny kolikoly fa rehefa hanabotry firenena na hangalatra ny firenena rehefa iza izy na iza an, dia tokony hizaka ny vokatry ny zavatra nataony. Matetika rehefa miresaka ady amin’ny kolikoly, hoe nahoana moa no tsy lao ny ady amin’ny kolikoly dia matetika tenenina foana hoe, tsy ampy ny finiavana politika any ambovonana izany hoe ny mpitondra faratapony, dia izay no matetika no lazaina, kanefa tsy hitantsika akory nefa ilay tsy fahampian’ny finiavana politika amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. Fa na dia misy aza ny fahavonona any amin’ny faratampony any ka tsy manaraka an’izay ny aty ambany aty an, dia azo ho hinoana fa ho kelikely ihany ny vokatra ho azontsika. Dia izay izany no tsara hanentanana antsika, ny ady amin’ny kolikoly an dia isika rehetra rehetra no tompon’andraikitra amin’izany fa tsy natokana fotsiny ho an’ireo sehatra izay napetraky ny fanjakana na ireo rafitra izay npetrakiny fanjakana hanao an’izany fa mil any fandraisana andraikitra ny daholo be.

Hot this week

Topics

Related Articles

Popular Categories